Dingana faharoa

DINGANA FAHAROA AMIN’NY FIFANINANANA FIDIRANA MPIANATRA HO POLISY TAONA 2023-2024.

Ho tanterahina ny Alatsinainy 29 Jolay hatramin’ny 01 Aogositra 2024 izao ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho Polisy ka ireo izay rehetra afaka tamin’ny dingana voalohany no mahazo miatrika izany.

Manomboka ny Zoma 26 Jolay 2024 no efa azo jeren’ireo mpiadina eny amin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Anosy ny fandaharam-potoana hiatrehana ny dingana faharoa hidirana ho Polisy.

Ny fizahana ara-pahasalamana dia azo atao avy hatrany ary azo raisina atao “Photocopie” eny amin’ny Foibem-panadinana amin’ny renivohim-paritany teo aloha na alaina amin’ny tranonkalan’ny Polisimpirenena https://www.pn.gov.mg ny fiche CM2 ary entina amin’ny “Centre Hospitalier Régionale” na “Centre Hospitalier Universitaire” irery ihany.

IREO ADINA HO TANTERAHINA MANDRITRA NY DINGANA FAHAROA

Adina am-bava ( aza adinoina ny mitondra ny Fiche médicale CM2 anaty valopy mihidy tsara )
Adina ara-panatanjahantena ( fanamiana : short – tee-shirt) ,
Tsara ho marihina fa ny mpiadina ao amin’ny sokajy Commissaire sy Officier ary Inspecteur dia miatrika ihany koa ny test Psychotechnique .

IREO TARATASY HOENTINA MANDRITRA NY DINGANA FAHAROA
kara-panondrom-pirenena
taratasy fiantsoana ( convocation) tamin’ny dingana voalohany

ELEVE COMMISSAIRE – ELEVE OFFICIER – ELEVE INSPECTEUR :

Eto Antananarivo renivohitra eto anivon’ny Service Central du Recrutement (SCR) no hanatontosana ny fifaninanana.

ELEVE AGENT DE POLICE :
Ho an’ireo mpiadina ao amin’ny sokajy Agent de Police dia any amin’ny renivohim-paritany nahafahany ny dingana voalohany ihany izy ireo no miatrika ny dingana faharo

DINGANA FAHAROA AMIN’NY FIFANINANANA FIDIRANA MPIANATRA HO POLISY TAONA 2023-2024.

Ho tanterahina ny Alatsinainy 29 Jolay hatramin’ny 01 Aogositra 2024 izao ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho Polisy ka ireo izay rehetra afaka tamin’ny dingana voalohany no mahazo miatrika izany.

Manomboka ny Zoma 26 Jolay 2024 no efa azo jeren’ireo mpiadina eny amin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Anosy ny fandaharam-potoana hiatrehana ny dingana faharoa hidirana ho Polisy.

Ny fizahana ara-pahasalamana dia azo atao avy hatrany ary azo raisina atao “Photocopie” eny amin’ny Foibem-panadinana amin’ny renivohim-paritany teo aloha na alaina amin’ny tranonkalan’ny Polisimpirenena https://www.pn.gov.mg ny fiche CM2 ary entina amin’ny “Centre Hospitalier Régionale” na “Centre Hospitalier Universitaire” irery ihany.

IREO ADINA HO TANTERAHINA MANDRITRA NY DINGANA FAHAROA

Adina am-bava ( aza adinoina ny mitondra ny Fiche médicale CM2 anaty valopy mihidy tsara )
Adina ara-panatanjahantena ( fanamiana : short – tee-shirt) ,
Tsara ho marihina fa ny mpiadina ao amin’ny sokajy Commissaire sy Officier ary Inspecteur dia miatrika ihany koa ny test Psychotechnique .

IREO TARATASY HOENTINA MANDRITRA NY DINGANA FAHAROA
kara-panondrom-pirenena
taratasy fiantsoana ( convocation) tamin’ny dingana voalohany

ELEVE COMMISSAIRE – ELEVE OFFICIER – ELEVE INSPECTEUR :

Eto Antananarivo renivohitra eto anivon’ny Service Central du Recrutement (SCR) no hanatontosana ny fifaninanana.

ELEVE AGENT DE POLICE :
Ho an’ireo mpiadina ao amin’ny sokajy Agent de Police dia any amin’ny renivohim-paritany nahafahany ny dingana voalohany ihany izy ireo no miatrika ny dingana faharoa