Tontosa ny Zoma 19 sy omaly Sabotsy 20 febroary ny lanonana fametrahana ireo mpianatra ho Polisy eo ambany fanevan’ny sekoly hanaovany fiofanana.

Ireto mpianatra ho Polisy ireto dia nahavita niatrika ny fiofanana ara-batana sy ara-tsaina nandritra ny 45 andro mialohan’ny hiatrehany ny fianarana mandritra ny 2 taona ho an’ny « Commissaires de Police » sy « Officiers de Police » raha 1 taona kosa ho an’ny « Inspecteurs de Police »  sy « Agents de Police ».

Ny Zoma 19 febroary teo moa no notanterahina ny lanonana ho fametrahana ambany faneva ireo Mpianatra ho « Commissaires de Police » sy « Officiers de Police » mitondra ny anarana andiany « REHAREHA ». Nitarika ny lanonana tamin’izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny « Contrôleur Général de Police » RANDRIANARISON Fanomezantsoa.

Ho an’ny mpianatra ho « Inspecteurs de Police » sy « Agents de Police » izay mitondra ny anarana andiany  » IRATRA  » kosa dia omaly Sabotsy 20 febroary no nanatontosana izany tany Antsirabe ka ny Sekretera Jeneralin’ny Polisim-pirenena « Contrôleur Général de Police » RAKOTONDRAVELO Herilanto Iaingotiana no nitarika ny lanonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *